Atrikasa ho an’ny mpanao gazety izay niarahana tamin’ny OSCIE sy ny EITI Madagascar

Ho fanamafisana ny fahaiza-manaon’ny mpanao gazety dia nikarakara atrikasa fanofanana ny OSCIE ny 2 Jolay lasa teo izay niarahana tamin’ny ITIE Madagascar sy ny Ordre des Journalistesde Madagascar (OJM) izany, ary notohanan’ny Fanainga+, izay nahitana mpanao gazety avy amin’ny faritra Analamanga, Atsinanana ary Analanjirofo.
Nifantoka tamin’ny vola miditra avy amin’ny sehatry ny harena ankibon’ny tany, ny tamberim-bidy, ny taratasy fahazoan-dalana hitrandraka ary ireo loharanom-baovao azon’ny besinimaro jerena, toy ny tranonkala eitimadagascar.mg sy bcmm.mg, ny fifanakalozan-kevitra.
- Manodidina ny 98 miliara ariary ny tamberim-bidy avy amin ny tetikasa ambatovy « fitrandrahana nikela sy kobalta izay hitsinjara amina kaominina 20 raha toa ka niato nandritra ny dimy taona sy telo volana teo
- Manana anjara lehibe @ fanaraha maso ny fampiasain’ny kaominina ny vola « tamberim-bidy » ny mpanao gazety hoy nambaran ny OSCIE na firaisamonim-pirenena misehatra @ harena an-kibon’ny tany afahana mampisy mangarahara sy afataran’ireo mponina ny fampiasana azy
- Marihina fa misy fitsipika ny fampiasana ny tamberim-bidy ho an’ireo kaominina ka 70% ny tamberim-bidy azon’ny kaominina @ fitrandrahana dia ampiasaina @ fampiasam bola raha toa ka 30% ho an’ny asa.
- Marihina moa fa tsy mitovy ny restourne na tamberim-bidy azon’ireo koaminina avy @ fitrandrahana .
.
Source : Ny Vaovao Amitié
