Nifampizara andraikitra ireo mpanao gazetin’ny journalminesmada.mg. Ankoatra ny vaovao mahazatra, hisongadina ao amin’ity gazety vaovaon’ny OSCIE ity ny famakafakana sy ny fanadihadiana lalina ary ny fanatsikafonana, indrindra amin’ny sehatry ny harena ankibon’ny tany.
Vavasa ! Izay no mahalaza ny fihaonan’ireo mpanao gazety mpiantsehatra amin’ny harena ankibon’ny tany. Notanterahina teny amin’ny Hotel Panorama Andrainarivo, ny alakamisy 23 jolay lasa teo. Taorian’ireo tantsoroka sy fiofanana, niroso tamin’ny fandaminana anatiny sy nifampizara traikefa ary nifanakalo vaovao tamin’ny alalan’ny fizarantena ireo mpiantsehatra amin’ny haino aman-jery ireo izay eo ambany fiahian’ny Organisation de la Société Civile sur les Industries Extractives na OSCIE.
“Fihaonana tamin’ireo vondrona mpanao gazety izay hiantsehatra amin’ny harena ankibon’ny tany no notanterahina tety Andrainarivo. Andraikitra izay hampita sy hizara amin’ny olompirenena ny anton-tambaovao no miandry azy ireo ato ato.” Hoy i Clément Rabenandrasana, Mpandrindra nasionalin’i OSCIE, nanamafy izay antom-pihaonana izay. Midika izany fa miroso amin’ny sehatry ny asa fitrandrahana sy fampitam-baovao amin’ny sehatry ny harena ankibon’ny tany ireo mpihaza sady mpilaza vaovao ireo. Niroso avy hatrany tamin’ny fifandrindrana asa sy ny fifandaminana andraikitra ireo mpanao gazety. “Nisy ny fametrahana ny ekipa izay iandraikitra amin’izany tahaka ireo fomba fiasa any amin’ny sehatry ny asa fanaovan-gazety rehetra. Misy ny tomponandraikitra isan-tsokajiny ihany koa mba hahazoana ny kalitaom-baovao amin’ny alalan’ireo rafitra ireo hatolotra ny olompirenena.” Araka ny fampitam-baovao hatrany avy amin’i Clément Rabenandrasana, Mpandrindra nasionalin’i Organisation de la Société Civile sur les Industries Extractives

Gazety an’habaka
Mitondra ny fanampim-baovao ny famoahana izany i Clément Rabenandrasana, Mpandrindra nasionalin’i OSCIE : “Ankoatra ireo tambazotran-tserasera, havoaka amin’ny tranoka ny vaovao.” Nanambara ampahibemaso tamin’ny fomba ofisialy tamin’io alakamisy io, teo anatrehan’ireo mpanao gazety moa ny tranokala izay hamoahana izany vaovao izany ka hitombo iray noho izany ny gazety an’habaka. Izahay ekipan’ny MadaTopInfo dia mirary soa ny gazety vaovao “Journal Mines Mada”, izay hita amin’ny https://journalminesmada.mg. Marihina moa fa ao anatin’ny andrana teknika amin’izao fotoana izao izany gazety an’habaka izany ary an-dalam-pirosoana amin’ny dingana araka ny lalàna manan-kery. Tsiahivina moa fa anisan’ny manankarena harena ankibon’ny tany i Madagasikara izay mampitsiriritra ireo teratany vahiny ary heverina fa sehatra afaka mampandroso an’ity Nosy ity, raha misitraka ara-drariny izany harena ao aminy izany ny olompirenena Malagasy.
Source : MadaTopinfo _ Haja Nirina

